Vaovaom-piangonana 01 novambra 2020
Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo.
Misaotra an ‘ Andriamanitra lehibe isika fa afaka niverina nandray ny fanasan’ny Tompo indray rehefa tsy afaka nanatanteraka izany nandritra ny fito volana. Ary dia misaotra antsika ny amin’ny fanarahana ny fandaminana indrindra fa ny fanajana ny fepetra ara – pahasalamana.
Dia toy izao manaraka izao indray ny vaovao tsara ho fantatra mikasika ny fiainan’ny fiangonantsika :
- Amin‘ny 9 h 00 no hanomboka ny fanompoam – pivavahana ary dia fidirana indray mandeha ihany.
- Efa miverina miasa , ihany koa , ny vaomieran’ny fanisana izay afaka mandray antsika isaky ny alahady fandraisana. Izany dia ahafahana mikarakara ny karatry ny mpandray ny fanasan’ny Tompo.
- Hisy ny fiofanan’ny mpiandry, ny mpiomana ho mpiandry, ny zanakin’ny Fifohazana ny zoma faha – 6 novambra 2020 ( 9 h 00 – 12 h 00 ) .
- Mianatra hira ny AMA ny asabotsy faha – 7 novambra 2020 manomboka amin’ny 8 h 00 .
- Miverina mianatra hira , ihany koa , ny Miasafia ny asabotsy faha – 7 novambra 2020 manomboka amin’ny 14 h 00 ao amin’ny Akany Ralibera Daniel.
- Miverina mianatra ny STA ny alahady faha – 8 novambra 2020 ka mbola ny kilasy faha – 7 no miakatra aloha no miverina mianatra.
- Mijanona ny mpikambana ao amin’ny Taninketsa ny alahady faha – 8 novambra 2020 aorianan’ny fanompoam – pivavahana maraina.
- Hisy ny fihaonan’ny diakona mpiahy amin’ny Katekomena ny alahady faha – 8 novambra 2020 aorianan’ny fanompoam – pivavahana maraina.
- Manatanteraka fihaonam – be voalohany ny FDL ny sabotsy faha – 14 novambra 2020 ao amin’ny Akany Ralibera Daniel ( 9 h 00 – 11 h 00 ).
- Hisy ny fivorian’ny mpihevi – draharaha ny alahady faha – 15 novambra 2020 aorianan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Izany dia entina handinihana sy handaniana ny teti – bola 2021.
- Hanatanteraka fiomanam – panahy ny Sokajy Maharitra ny sabotsy faha – 21 novambra 2020 manomboka amin’ny 9 h 00 ao amin’ny Akany Ralibera Daniel.
- Hanatanteraka androm – bavaka ny AFF ny sabotsy faha – 28 novambra 2020 ( 9 h 00 – 15 h 00 ).
Dia mirary soa samy ho tahian’Andriamanitra.
NY BIRAON’NY FITANDREMANA.