Vita antoka ve ny fanahinao?
May ny trano iray tao amin’ny tanàn-dehibe, tsy ela loatra izay. Raha nahita aho dia taitra, dia nanombatombana ny fahavoazana izay hita fa betsaka.
« Aza taitra loatra », hoy ilay niresaka tamiko, « voavonjy ihany izy, satria vita antoka io. »
Vao haingakaingana dia nifandona ny aotomobilina teo amin’ny fihaonan-dàlana. Ny olona tsy nisy naratra fa ny zavatra no simba. Niteny faingana ny olona mahalala :
« Soa ihany fa aotomobilina vita antoka ireny. »
Dia lasa ny fisainana ka mankasitraka izany zavatra vita antoka, midera ireo mahakendry ny ho avy toy izany. « Tsara antoka izany, » hoy aho.
Lehilahy anankiray nitombo harena fatratra, ary nataony vita antoka ny fananany : trano, aotomobilina, foto-kazo dimy alina, sns… indray andro raha nirava avy amin’ny Sekoly Alahady Ikoto, zanany lahimatoa ka tonga tao an-trano, dia nihaino ny resaky ny rahalahin-drainy sy ny renibeny. Avy eo Ilaikely dia niditra tao amin-drainy ka nankeo am-pofoany. Avy hatrany dia
nanontany an-drainy :
– « Dada ô, vita antoka ve ny fanahinao ? »
– Taitra rangahy ka niteny hoe : « Inona no hevitr’Ikoto, ary nahoana hianao no manontany ahy zavatra tahaka izany ? »
– « Satria, » hoy ilay zaza, « reko tamin’ny resak’Idadatoa sy Inenibe fa vita antoka daholo ny fananan’Idada ; noresahiny koa fa revo amin’ny fitomboan-karena loatra hianao ka tsy mikarakara fanahy akory. Idada ô ! Moa tsy tianao ve raha vita antoka miaraka amin’izay ny fanahinao ?
Norohan-drainy Ikoto, dia napetrany, sady hoy izy : « Mandehana milalao, anaka, zaza tsara hianao. Hoeritreretiko ny fanontanianao. » Rehefa lasa Ikoto dia nitombina rangahy, ny kihony nitehina tamin’ny latabatra, ny lohany niondrika, ny eritreriny niasa dia niasa.
Marina ny resak’izy mianaka ren’Ikoto. vita antoka tokoa ny hareny, mba hitsinjovany ny andro merika sy ny vady aman-janany. Efa nandoka tena ho hendry sy mahay mitsinjo ny ho avy izy tamin’izay ; nefa kosa tsy nanao na inona na inona izay hahatsara antoka ny fanahiny, ilay tena olona haharitra mandrakizay.
Inona no holazainy amin’Andriamanitra, raha hiseho eo anoloan’ny voninahiny izy ? Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, hoy ny filoatry ny fony, sady nandohalika izy no nampifamihina ny tanany. Niditra Ikoto, indro rainy nandinika ny Salamo 51.
– « Idada ô ! » hoy ny zaza, « vita ve ? Lazao, ry Idada malala ô ! »
– « Vita, anaka, » hoy rainy, « andeha ambarao amin’Idadatoa sy ny renibenao. Hianao no anjely efa nomen’Andriamanitra ahy. »
– « Misaotra dia misaotra, ry Idada ; faly loatra aho, » sady miramirana fatratra izy no lasa nivoaka.
Nanohy ny famakiana ny Soratra Masina rangahy ; nefa ranomaso vaventy fipatraka no nandena ity boky. Ranomasom-piovana misy lanjany eo amin’ny mizanan’Andriamanitra.
Ry havana mpamaky, raha nandre aho : trano, aotomobilina vita antoka, sns., dia tsaroako ny tenin’ny Tompo : « Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao rehetra izao, kanefa very ny ainy ? » Nanadin-tena aho : vita antoka ve ny fanahiko ?
– Eny, vita antoka ve ny fanahintsika?
– Efa migoka ny ranon’aina sy homana ny mofon’aina ve, ka mitrotro famonjena ?
– Efa nahazo ny hery mahavonjy sy fanadiovana avy amin’ilay ra fanavotana nalatsaka tany Golgota, tonian’ny fahaterahana indray, ipoiran’ny fiainam-baovao.
– Fanahy manana an’i Jesosy no fanahy manana antoka tsara , ka vita ve ?
Aza arian-dia ny fanontaniana fa eritrereto dia valio : vita antoka ve ny fanahintsika?
Paul Rakotoarivony Teny Soa, N° 713 – Mai 1930