Vokatry ny fanehoan-kevitra tamin’ny 13 mai 2012 mikasika ny fandraisan-tànana ny mpitandrina
Toy izao ny vokatry ny fanehoan-kevitra amin’ny fandraisan-tanana ny Pastera RAKOTONIERA Eric natao ny alahady 13 mai 2012 tao amin’ny fitandremana FJKM Ambavahadimitafo :
ENY : 336
TSIA : 126
FOTSY : 9
MATY : 3
Neken’ny mpandray izany ny handraisan-tanana ny Mpitandrina Rakotoniera Eric ao amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, ka ampitaina amin’ny Biraon’ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana izany vokatra izany ahafahan’izy ireo manome ny torolalana ny amin’ny dingana tokony atao manaraka.
Tamin’ny tehaka lavareny no nandraisan’ireo kristiana izany vokatry ny fanehoan-kevitra izany tao amin’ny tranon’Andriamanitra.
Ny Voninahitra anie ho an’Andriamanitra irery ihany.