Zaikaben'ny sampana, sampan'asa ary asa ao amin'ny foibe
Mandritry ny volana JOLAY sy AOGOSITRA ary SEPTAMBRA 2007, no hanatanterahan’ny sampana rehetra misy ao amin’ny FJKM, ny ZAIKABE-ny avy.
Ny ZAIKABE moa no rafitra ambony indrindra MPANAPAKEVITRA ao amin’ny sampana. Ny birao foiben’ny isa-tsampana no miandraikitra ny fanatanterahana izany fotoan-dehibe izany.
Ireto avy ireo sampana hanatanteraka izany ZAIKABE izany:
- DORKASY
- SEKOLY ALAHADY
- VOKOVOKO MANGA
- SAMPANA TANORA KRISTIANA
- SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA
- SAMPANA MPANAZAVA SY TILY
- SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA
- SAMPANA FIFOHAZANA
Ny sampan’asan’ny fampandrosoana (SAF/FJKM) dia hanavao koa ny tompon’andraikitra rehetra ao aminy amin’ity taona ity. Ka nahatoga filazana eto amn’ny fiangonantsika io sampan’asa io, fa izay maniry ho « mpandrindra nasionaly » ao amin’io sampan’asa io, dia afaka mandefa dieny izao ny filatsahany any amin’ny FOIBE FJKM.