Zaro @izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala @izany
Noho ny fihibohana dia tsy afaka miombom-bavaka any amin’ny FJKM Ambavahadimitafo isika. Misaotra ny Tompo anefa isika fa afaka miombona amin’ny fanompoam-pivavahana Alahady 25 Aprily 2021, izay hiarahan’ny isan-tokan-trano manatanteraka manomboka @ 9 ora.
« Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho, (Matio 18:20)
Litorjia Alahady 25 Aprily 2021
Salamo 8:1,2,9
Hira:788 and 1,4
Soratra Masina :
* Ohabolana 22:4-6
* Matio:18:10-14
* IJaona2:1-2
Toriteny : Ohabolana 22:6
Confinement! Zavatra ratsy no mby ao antsaina mandrakariva : aretina, tahotra, fahasairanana…
Confinement! Mba misy zavatra miabo koa e! Fotoana fialantsasatra, fihaonan’ ny ankohonana, fotoana ny fanabeazana.Torolalana ny @izany fanabeazana izany indrindra no omen’Andriamanitra antsika anio ato @ bokin’ny ohabolana : « zaro @ lalana tokony aleha ny zaza ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin’izany. »
1.Torolalana @ fitondrana ny taranaka
Fomba fitondrana : fanazarana @lalana iray.
Misy karazan-dalana roa: lalan’ny ditra sy ny lalan’ny fahendrena
Zarina ny zaza handeha @ lalan’ny fahendrena : ampianarina azy isan’andro izany ary ny Raiamandreny sy ny mpanabe no modely @izany.
Ny lalan’ny fahendrena :fanetretena,fahadiovam-po, fahatsorana …
Sarotra ny fanabeazana ankehitriny noho ny firimorimon’ny teknolojia; raha tsy mitandrina isika dia ho simba ny taranaka. Raiso ary ny andraikitra, araraoty izao confinement izao : tezao ny taranaka handeha @ lalan’ny fahendrena.
2.Tian’Andriamanitra hanana ho avy tsara ny zanak’olombelona
Matoa mandeha @ lalana iray dia misy tanjona ao izany.
Matoa ny Tompo miteny hoe : zaro @ lalana tokony aleha…
Dia misy tanjona,misy programme mba hananan’ny olona fiainana tsara izay atomboka @ fanabeazana ny zaza.
Fanabeazana :manaja ny maha izy azy ny tsirairay, mitsinjo ny ho avy, mamelona ny fanantenana.
Ny tanjona :zaza,tanora,lehibe manana fiainana tsara (milamina,azo antoka, feno fiadanana) santarina eto an-tany fa sitrahana feno any an-danitra.
Manampy antsika ny Tompo, nomeny antsika Jesoa lay hoavy tsara ho antsika (jaona 3/16).Ao@ Jesoa Kristy, miaraka @ Jesoa lay fahendren’Andriamanitra ihany no misy hoavy mamiratra sy azo antoka .
Aza kivy @ fanabeazana ary raha te hanana taranaka vanona mandova ny fiainana mandrakizay!
Inona ny atao?
« Zaro @ lalana tokony aleha ny zaza ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin’izany ».
Ho an’Andriamanitra Irery ny Voninahitra Amen .
Fanekem-pinoana Apostolika
Rakitra
Fampatsiahivana ny fitandremana ara-pahasalamana : geste barrière
Fampaherezana : Salamo 46:1″Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy. »
Hira 813 and 1,6
Tsodrano